ITY NOSINAY

Hanitr'ôliva . Chorale du METM Ziona Famonjena Fianarantsoa

ITY NOSINAY


Tompo ô ity nosinay apetrako aminao
Maro be ireo ahiahy mamotika anay
Ny mpitondra anay mba tariho hiankina aminao
Ka tolory saina hendry ,kinga sy mahay


Mba tahio ,tahionao Jesosy , ity Nosy malalanay!
Ka hiadana sy ho finaritra, e sambatr’izahay!


Tompo ô ity Nosinay apetrako aminao
Ka ombao ny herinao hiaro anay
Ny malagasy ampionao Tompo ô hifankatia
Ka tsy hisy hizarazara fa hiara-dia


RANDRIANANJA Liantsoa (2022)


·