ity no lalana ka ombao
Chorale Taratr'i Maria
ity no lalana ka ombao
Raha noho ny heriko izaho samy irery anie dia zava-poana ihany e
fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izaho ahy
Mifefy Aminao aho Tompo o miankina aminao e
mifefy Aminao aho Tompo o
ny momba ahy rehetra efa voalahatrao
misy feo reko avy ao ivohoko ao hoe:« ity no làlana ka ombao
Ianao no lalana sy fahamarinana ary tena fiainana eee
Ry Jesoa Mpiandry Ondry tsara o raisiko ho filamatra
Mifefy Aminao aho Tompo o miankina aminao e
mifefy Aminao aho Tompo o
ny momba ahy rehetra efa voalahatrao
misy feo reko avy ao ivohoko ao hoe:« ity no làlana ka ombao
Hitandrina ny andian’ondrinao aho
ho araky ny sitraponao ee
ny herin’Izy Fanahy Masina hanampy ahy eny an-dalana
Mifefy Aminao aho Tompo o miankina aminao e
mifefy Aminao aho Tompo o
ny momba ahy rehetra efa voalahatrao
misy feo reko avy ao ivohoko ao hoe:« ity no làlana ka ombao