ITOY AHO ABA

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

ITOY AHO ABA


Itoy aho Aba, itoy ‘zaho toy, itoy aho fa manohy
Tsy mendrika intsony fa mba tafio gony
Nandeha nirenireny tsy tanilan-dRay aman-dReny
Hananiky io aho fa voa vao mahatsiaro ny taloha


Itoy aho Aba, itoy ‘zaho toy, itoy ‘lay gnanakinao Nanainga ny tanàna nampitomany an’i Mama
Haiko fa tianao ‘zaho, haiko fa maminao ‘zaho
Haiko fa tsy foinao ‘zaho, fa ny hadalako avao
No nahatonga izao fahafatesanao, Ouh! Ouh! Ouh !


Ny ditra sy ny hadalàko avao no nahafaty anao e !
Tambonin’ny hazofijaliana aleoko ‘zaho hangina
Izaho te-hitomany, handay anay aia anefa izany
Fa ny Famindram-ponao avao, ro ambesako eto izao


A/C: RANOELISON Nirina (Ni)


·