Isika Roa

'Zay

Isika Roa


Noravana fa hoe tsy anjara
Nofaranana fa tsy tsara
Nokosehina tao anaty,
’lay fitiavantsika


Nopotehina ny diary
Norovitina ireo sary
Nolazaina ankariary,
fa hoe : ts’isy intsony


Pont : Fo nafana
sady niaro fahazazana
Tsy nahalala akory
Ny hoe tena fitiavana


Ref : Ankehitriny izaho sy ianao,
Tsy nanam-po
Fa hoe ilay fitiavana
Mbola hifoha
’Lay noheverina hatrizay
Fa efa maty
’Njao hirongatra
Hay natory tao anaty


Mbola zaza tokoa t@ ireny
Mbola bedin’i Dada sy i Neny
Mbola tsy afaka nanambara
Fa hoe matotra
’Lay fitiavana toa nafana
Noheverina ho adalana
Mbola tsy afaka nahalala


Izay hiafarana


Pont : Fo nafana …


’Lay fitiavana toa nafana
Noheverina ho adalana
Tsy nahalala izay hiafarana
’Lay fitiavana …


Ref : …


·