Isika Eglizy

Chorale Taratr'i Maria

Isika Eglizy


Lehibe ny fitiavanao anay ry Ray ô
Natsanganao izahay ho zanakao
Foinao ho anay ny Ainao
Mba hiombonanay fiainana Aminao
Mba hiombonanay fiainana Aminao


Zanakao malalanao zahay
Velominao sy tsimbininao
Arovanao zahay amin’ny sandrinao mahery
Mba ho lavitry ny asan’ilay ratsy


Isika Eglizy fianakavian’Andriamanitra
Aina iray avy aminy mamelona antsika
Isika Tempolin’Andriamanitra
Ao amintsika ny Fanahiny trano fonenany


Lehibe ny fitiavanao anay ry Ray ô
Omenao sakafo mahavelona
Jesoa Zanakao no arosonao
Vatsy ho anay mamelona mandrakizay
Vatsy ho anay mamelona mandrakizay


Nofo-kena mitam-pihavanana Izy
Jesoa no sakafo mampiray
Mampihavana anay Aminao Andriamanitra o
Mampifankatia anay Zanakao


Lehibe ny fitiavanao anay ry Ray ô
Ankaherezinao zahay amin’ny herinao
Torolalan’ny Fanahy izoranay
Ho zanaka hendry sady mpanoa Anao
Ho zanaka hendry sady mpanoa Anao


Iray donak’afo sy dinika Aminao zahay
Ianao no loharanon’ny iraka
Iray asa aminao zahay Andriamanitra ô
Handavorary izao tontolo izao


Fianakaviana iray manana Ray aman-dreny
Ao Zoky be fitia, Masina Maria Reny malala


Fianakaviany e – Isika
Zanany natsangany e- Isika
Velominy e – isika
Tsimbininy e - isika


·