ISAORANAY
Chorale Taratr'i Maria
ISAORANAY
Isaoranay ianao ry Rainay
nanome anay hasoavan-dehibe
ny fofon’aina mbola iainanay ankehitriny
Dia avy Aminao
Ny hirako, ankalazako anao
Ny vavako, hidera anao Tompo ô
Ny hirako, no entiko hanomezam-boninahitra
ny anara-masinao
Nafahanao ahay Jesoa ô
Namoizanao ny ainao
Mpandresy ahay miaraka aminao
Nandresy ny fahafatesana
Ny Fanahinao manamasina anay
Ny fanahinao, mankahery anay
Ny Fanahinao, mampiray ny tenanay
Ao amin’ny ain’i Kristy