Isaoranay
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Isaoranay
Isaoranay Tompo o ny herinao
Fa manankasina sy aina vaovao
Ny teninao no fanilo entinay
Ny tenanao mofon’aina ho anay
Aro ampinga ho an’ny fanahy
Fanatenana hijoroako ho sahy
Aro ny fo sy ny saina aminay
Ny teninao vahatra mampiray
Ka hira soa fiderana ho anao
Ho rehareha anay koa ny anaranao
Ny fo, fanahy sy ny saina aminay
Hihira sy hankalaza ny Ray