Isaoranay
APAL EKAR BEMASOANDRO
Isaoranay
1- Isaoranay ny Anaranao Ray Tsitoha
Fa mbola nomenao izao andro iray izao izahay
Tsy noho ny fahamendrehanay, tsy noho ny fahatsaranay koa
Fa noho ny fahasoavanao sy ny famindram-ponao
Ny androany anio atolotray anjakanao
ka ny fifaliana avy aminao no entinay manompo Anao
Mampianara anay hivavaka sy hankatoa ny teninao
Hanaiky ho irakao, hamita ny asanao
2- Isaoranay ny fitiavanao Ray Tsitoha
Fa isan’andro izao dia Miahy ny fiainanay Ianao
Tsy noho ny ezaka ataonay, Tsy noho ny asa izay vitanay
Satria zanakao izahay dia toloranao ny soa
Ny fiainanay tontolo no atolotray Anao
Ka ny ampitso sy ny hoavinay dia tsy ha anĂ nana ahiahy
Mapianara anay hatoky Anao, hino izay mambaranao
Ary hankasitraka izay fitantananao