Isaorana Ianao

Jon Mos

Isaorana Ianao


ISAORANA IANAO
Isaorana Ianao
Nanome anay
Ilay fitia tsy misy fetrany
No natolotrAo ho anay
Izao zava-drehetra izao
Porofo ho anay
F’Ianao irery ihany no anton’izany
Matoa mbola miaina hatrany


Ka anio raha mihira
Dia feno fifaliana
F’Ianao no Ilay Fitiavana mamy
Sy Ilay tsara indrindra
Ka indro hovetsoiko eto izao..


Refrain:
Ka na ny anio na ny ampitso
Sy izay mbola hiseho dia Ianao
Ianao no hoderaina sy hoankalazaina
Ary ho hiraina amin’ny fo satria tsara tokoa (Ianao)
Ka hira, hira iray
No asandratray ho Anao ry Ray


Mpanavotra Ianao
Ka sarotra ho anay ny hanadino
Ireo soa nataonao
Noho ny indrafonao
Ka zary tsy afaka an-tsaiko ato ireny
Fa embona hatrany

Toy ireo zavaboary
Izay noharianao ho anay ry Ray


Mba Raiso ankehitriny
Ny fonay ho Anao
Fa zavapoana ihany ny ataonay
Raha toa tsy eo mantsy Ianao
Ka mbola hovetsoina eto izao


Refrain:
Ka na ny anio na ny ampitso
Sy izay mbola hiseho dia ianao
Ianao no hoderaina sy hoankalazaina
Ary ho hiraina @ fo satria tsara tokoa (Ianao)
Ka hira, hira iray
No asandratray ho Anao ry Ray


Ka ravo anio ny fonay
Noho ireo soa vitanao
Fa ny fahasoavanao ihany
No maha toy izao anay
Ka mendrika Isaorana Ianao


Refrain:
Ka na ny anio na ny ampitso
Sy izay mbola hiseho dia Ianao
Ianao no hoderaina sy hoankalazaina
Ary ho hiraina @ fo satria tsara tokoa (Ianao)
Ka hira, hira iray
No asandratray ho Anao ry Ray


·