Isaorako ny Ray

Valeriah & Ntsoa

Isaorako ny Ray


Ilay fitia ho doria no atolotro anio
Anatrehan’ny lanitra, manaiky anao ho tokantranoko aho
Tsapako tena mamy, fitiavana hatrany ny ahy sy anao
Anatrehan’ny Ray miorina, ho mandrakizay


‘Saorako ny Ray lay nanome, silam-panahy
Ilay fitiavana irery eto an-tany
Ilay vonon-kisedra na ho ngidy io na ho mamy


‘Saorako ny Ray lay nanome silam-panahy
Ilay fitiavana irery eto an-tany
Ilay vonon-kisedra na ho ngidy io na ho mamy


Fitiavana marina tokoa ny antsika roa
Hohamasinin’izy Ray ‘reto olon-droa hitambatra ho iray
Ka manomboka androany, izy ihany, no hanapaka tokoa
Lay tokantrano izay maminay tokantrano soa


‘Saorako ny Ray lay nanome, silam-panahy
Ilay fitiavana irery eto an-tany
Ilay vonon-kisedra na ho ngidy io na ho mamy


‘Saorako ny Ray lay nanome, silam-panahy
Ilay fitiavana irery eto an-tany
Ilay vonon-kisedra na ho ngidy io na ho mamy


Oh oh oh hiara-dia hatrany tsy hifanary toa rano sy vary izaho sy ianao
Fo roa hitempo iray satria (hitempo iray satria)
Hiaraka ho doria (o o o o)
Sy hifanaiky (sy hifanaiky fa)
Mifameno ilay fitia


Saorako ny Ray lay nanome, silam-panahy
Ilay fitiavana irery eto an-tany
Ilay vonon-kisedra na ho ngidy io na ho mamy


Saorako ny Ray lay nanome, silam-panahy
Ilay fitiavana irery eto an-tany
Ilay vonon-kisedra na ho ngidy io na ho mamy


·