ISAORAKO NY ANARANAO RY JESO
Ampifafi
ISAORAKO NY ANARANAO RY JESO
Isaorako ny anaranao ry Jeso ô !
Nanavotra ahy tan-dàlana ety,
Nitantana ahy n’aiza n’aiza aleha,
Nitsilo ho mpitsinjo ny dia ;
Tsy afaka an-tsaiko ilay ianao
Nitondra ny mafy ary koa nitalaho
Nitrotro am-panahy ny hiverenako indray
Hamonjy fodiana amin-dray
Tsy afeniko intsony ny ventson’ny foko
Hihira ny Fitiavanao
Hakariko ambony ny feoko, hihira
Ny foko izay saiky efa lao
Hosana, hosana, hosana
Ho anao Tompo tia