ISAN’ANDRO AHO

Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)

ISAN’ANDRO AHO


ISAN’ANDRO AHO - FEO MAHAFALY NY ZIONA


Isan’andro aho dia mandray avy Aminao ireo fahasoavana
Isan’andro aho mahatsapa hatramin’izao Ilay Fitiavanao
Isan’andro aho dia indro omenao ahy Lay anjara fahazavana
Taratry ny haleben’ny hasoavanao ry Tompo be Fitiavana


Ref :
Tsy azo ampitahaina amin’izay nomenao ahy
Anefa Tompo zay mba avy amiko
Zaraiko ny namako na zay nomeko ny hafa koa
Samy tsy mahasoa
Indrindra Tompo oh ; ra(ha) ny fitiavanao ahy
Mahatsiaro menatr’aho
Fo sy molotra feno loto no indro asetriko Anao


Reo tombon’andro izay mbola omenao ahy indray
No iriko hanaovan-tsoa
Fa adidinay raha velon’aina koa ny mba hifanasoa
Ho alavirinay reo toetranay mahatonga hankahala Ilay Mazava
Taratry ny haleben’ny hatsaranao ry Tompo be Fitiavana
Ref : …


T&F : RAVELOSON HERILALAINA


FMZ


·