IRIKO E RY TOMPO
Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
IRIKO E RY TOMPO
Iriko e! Ry Tompo mahery! Hiverina aminao indray
Ampio aho mba tsy ho very, arovy ambany helatrao
Ny adin-tsaina sy ny ahiahy, ho foana tsy hisy intsony re
Ny fahoriana, ny ranomaso, hisolo fifaliam-be
Mba taomy aho e! Tompo mahery,
Raiso ny fikasako izao
Arovinao re, mba tsy ho very
Tano ho eo akaikinao
Maniry mafy izany foko, hiverina aminao indray,
Kanefa koa izao tontolo, manintona ahy hiala aminao
Fa fantatrao ny halemeko Tsy misy miafina aminao
Tario aho mba tsy ho resy fa te hiaraka aminao