Iriko

Billy Vahatra

Iriko


Iriko anie io olona io
Fa masoko mahita manjary tadio
ouh ouh ouuuh


Iriko anie, iriko tokoa
F’efa azoko nofy saika tsy hampifoha
ouh ouh ouuuh


Tapa-kevitra aho hanatona azy
Fa teny indraim-bava angamba tsy hahavoasazy
Andrana ihany izany
Fiangaviana raha toa azo atao
ouh ouh ouuuh


Nifankatia nifidy lalan-kizorana
Sao miantefa amam-bato ka mety ho torana
ouh ouh ouuuh


Iriko anie, fa saingy tsy ho sahiko
Toa mifandaka hatramin’ny saiko sy fanahiko
ouh ouh ouuuh


Tapa-kevitra aho hanatona azy
Fa teny indraim-bava angamba tsy hahavoasazy
Andrana ihany izany
Fiangaviana raha toa azo atao
ouh ouh ouuuh


Iriko anie, holalaiko amin’izay
Fifaliako tokoa ny iarahanay
Ouh ouh ouuuh


Iriko anie, iriko ho havako
Handrehetako ny afo, y afom-pitiavako
Ouh ouh, ouuuh


·