Ireo lehilahy roa

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

Ireo lehilahy roa


‘Lay lehilahy ‘zay tsy hendry re
Manangana ambony fasika
Ny tranony mahafinaritra
Ary avy ny oram-be
Dia milatsaka ‘zany oram-be
Sy mifofofofo ny rivotr’e
Ka miakatra koa ny riaka
Ary rava ‘lay trano eo


Ny lehilahy tena hendry be
Manangana am-batolampy re
Ny tranony mahafinaritra
Ary avy ny oram-be
Dia milatsaka ‘zany oram-be
Sy mifofofofo ny rivotr’e
Ka miakatra koa ny riaka
Mbola mafy ‘lay trano eo


Fa Jeso no ‘lay vatolampy e !
Maharitra sy tsy miova re
Ny tranoko mijoro mafy ao
Ary avy ny oram-be
Dia milatsaka ‘zany oram-be
Sy mifofofofo ny rivotr’e
Ka miakatra koa ny riaka
Mbola mafy ny tranoko


·