Ireo adalana

Chorale Feon'ny Fanahy Masina

Ireo adalana


1-Ireo adalana sy fahotana
Izay ninianay natao e
Tsy mba nanaraka ny Teninao
F’izay tinay no natao


Tompo ô, mamindrà fo aminay e
Tompo ô, mamindrà fo aminay


2- Fiavonavonana sy fialonana
Izay mameno ny fonay
Fitiavan-tena, hafetsifetsena
Ifonanay aminao


Kristy ô, mamindrà fo aminay e
Kristy ô, mamindrà fo aminay


3- Amindrao fo re fa diso izahay
Koa avelao ny helokay e
Tena mifona e, mivalo koa
Mamelà ny otanay


Tompo ô, mamindrà fo aminay e
Tompo ô, mamindrà fo aminay


·