IRENY HIRANTSIKA IRENY

Dany Ranoa

IRENY HIRANTSIKA IRENY


1-Ireny hirantsika ireny
Dia tsarovy fa miteny
Sy mibitsika ao anaty
Vetsom-po tsy mety maty


2-Ireny hirantsika ireny
Raha kaloina ombieny ombieny
Dia mametraka (ny) tantara
Ho an’ny zanaka amam-para.


Isan’andininy
Ireny hira henonao, na hariva na maraina
Dia tsy hirahira foana, handaniana ny fotoana
Fa fanahy mitondra aina, sy mandrotsy koa ny saina
Ka mamelona ao, mangina, ainga vao sy fitoniaina
Dany Ranoa 1977


·