Iray minitra

Tanjona Randrianarivelo

Iray minitra


Mafatifaty erĂ¿ ny mahita izato tsikinao,
Mahatoraka mihoatra ny tara-pahazavana,
Tsy rediredy fa ianao angamba no anjeliko,


Tantano aho, hanaraka, tsy hiala eo anilanao,
Hafahafa fa tena tiako tsotr’izao,
Tsy irery intsony aho, manana adaladala toa ahy,


Toa voninkazo, manitra mamerovero fa tsy mankaleo,
Ilay mitampify, mijanona anilanao eo,
Mamerina ny fitiavako hitsiry indray,


Ilay angolanao, manintona, tena tsy foiko fa mahatamana ahy,
Maniditsidina ny foko fa tsy mampanahy,
Voarotsirotsinao ny saina, fo, fanahy


·