Iray isika
Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Iray isika
Iray isika e, satria zanany
‘Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian’i Jesoa
‘Ndeha hifankatia
1- Izay zavatra hita maso ve no hanimbana ny fanahy
Ity tany be ankaso re tsy handraisana ny tsara
Avelao ny lolom-po fa tsy mahavonjy anao
Hampanjakao am-po Jesoa dia ho sambatra ianao.
Iray isika e, satria zanany
‘Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian’i Jesoa
‘Ndeha hifankatia
…
2- Ataontsika ahoana re ny hitia an’i Jesoa
Ireo hita maso aza toa halantsika ery
Ovay ny famindra fa fotoana mety izao
‘Ndeha hiaraka hamindra ho amin’ny fiainam-baovao
Iray isika e, satria zanany
‘Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian’i Jesoa
‘Ndeha hifankatia
T/F: Sandaniaina Rinasoa Liliane