iray isika

Groupe sarobidy

iray isika


      Iray isika- Groupe sarobidy


Réf : koa ndeha re isika hifampitantana
Hampiseo ny fihavanana
Ary hanambatra ny hery hanatratra tanjona
Firahalahiana no ampiharina
koa ndeha re isika hifampitantana
Hampiseo ny fihavanana
Ary hampanjaka ny filaminana
Firahalahiana no ampiharina


Ry Malagasy ô iray izaho sy ianao
Esory ao an-tsainao ny fifandrafiana
Ny fanavakavahana ara-tsaina sy ara-nofo
Na fihodirana ,na ambony na ambany


Ndao hiara hientana handravona
Ny disadisa ety an-tany ety
Fifanomezan -tanana sy fifankatiavana
Izany no ‘ndeha ho ampanjakaina


      Ref………………………….


Fandresena hoahy sy ho anao ‘zao ora izao
Ka miantso anao hanohina izany
Manantena aho sy matoky koa
Soa fa teo ‘lay Ray hitantana ny Dia


Filaminana tsy misy ho kianina
Raha eo ambany fitahin’ilay jesoa
Ny firenan-drehetra miondrika aminy
Satria izy no mpampihavana


Ka ny fitiavantena sy avonavona
Dia ho fongorina ary hasolo fitiavana


      Ref …………………………………


Firahalahiana no ampiharina x2


A/C:Hasina Niaina


·