IRAY AINA AMIN'I KRISTY

Antsan'i Fenomanana

IRAY AINA AMIN’I KRISTY


REF: Isika izao iray aina,
Na dia tsy iray saina
Fa ampiraisin’ny fiangonana,
Iorenan’ny finoana.


1- Isika izao taranak’i Kristy
Koa nahoana no tsy hiara-dia ?
Hanohy ny efa natomboka tety
Hampanjaka lalandava ny fitia.


2- Lalantsarotra no ho diavina
Ny adidiy aoka tsy ho lavina
I Kristy no ndeha ho fitaratra
Ka tsy hitaraina hoe : sasatra.


3- Ady mafy no atrehina
Anaherezo ny fo sy saina
I Kristy no lohan’ny tafika
Handrindra sy hahatafita


4- Hirifiry mafy no niharetany
Hanavotany ny vahoakany
I Kristy no lohan’ny Fiangonana
Iorenan’ny finoana.


Volume 2 « NY FIANGONANA NO FIOMBONANA »


·