IRAKAO AHO
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
IRAKAO AHO
Raha mbola velona ny aiko dia hihira ho Anao aho
Raha mbola henoko mitempo ny foko de ho Anao
Refrain :
Fa vovoka aho, hody vovoka indray
Ny andro keliko sisa dia hanompoako Anao
Ianao Raiko ô! No anton’ny hisiako ety
ka ataoko zava-poana ny ety
Tsy izaho no nisafidy fa Ianao ’lay nitahy ahy
Ka ekeko am-pitsikiana satria irakao aho
Ianao Jeso ô no hisolo ny helokay tety
Vonona aho ny hanompo Anao doria
Refrain:
Fa vovoka aho, hody vovoka indray
Ny andro keliko sisa dia hanompoako Anao