Io aho io

Reko - Fy & His Band

Io aho io


Ireo manodidina ahy mahalala tsara
Fa miezaka aho manao izay azoko atao
Mba ho tsara fanahy sy mikarakara
Miezaka aho manao izay tokony atao


Mba ampifaliana ireo namana sy fianakaviana
Noezahiko napiana
Ireo rehetra nifanena noezahiko nomena fitia sy fahendrena
Fa tsy ampy foana anefa izay atao
Fa misy foana ny hoe izao sy izao
Ka reraka sy kivy aho
Miezaka manakatra izay rehetra endrasan’ny rehetra


Ooooo…
Tsy misy natao ho andevoizin’izay mety ho eritreritry ny hafa
Io aho io tsy voatery hety amin’ny rehetra
Ooooo…
Miady amin’ny fahalemena miezaka manao ny tsara ihany fa
Io aho io tsy voatery hety amin’ny rehetra


Toizako ny ezaka sy ny azakazaka
Na ho any na tsy ho any
Izay faly de faly (x3)


Toizako ny ezaka sy ny azakazaka
Na ho any na tsy ho any…


Fa ampifaliana ireo namana sy fianakaviana
Ho ezahiko apiana
Ireo rehetra hifanena ho ezahiko omena fitia sy fahendrena
Fa nisy niova nefa anatiko ao
Ny fifaliako tsy miankina amin’izay izao sy izao
Fa tsy vitako ny ahafapoa ny olona rehetra


Ooooo…
Tsy misy natao ho andevoizin’izay mety ho eritreritry ny hafa
F’io aho io tsy voatery hety amin’ny rehetra
Ooooo…
Miady amin’ny fahalemena miezaka manao ny tsara ihany fa
Io aho io tsy voatery hety aminareo


Ooooo…
Tsy misy natao ho andevoizin’izay mety ho eritreritry ny hafa
F’io aho io tsy voatery hety aminareo
Ooooo…
Miady amin’ny fahalemena miezaka manao ny tsara ihany fa
Io aho io tsy voatery hety aminareo


·