Inty misy teny soa
Antokom-pihira Vetson'i Siona
Inty misy teny soa
I. Raha sendra tojo adin-tsaina
Ka mila hokivy ny fo
Tsarovy fa ny miaina
Tsy hilaozan-java-manjo e!
Ataovy an-tsaina fa ny eto
Dia tebiteby avokoa
Isan’andro izao misento
‘Zay mety hankarary ain-doha
Ref: ‘Ty misy teny soa
‘Ndao hiaraka hiantsoantso hoe
Antsoy I Jesoa
Fa hanampy anao izy e!
II. Raha mbola miaina eto an-tany
Ka miloloha lanitra
Tsy maintsy misy tomany
Fa ain’Andriamanitra e!
Ka raha i Jesoa no miahy
Izay rehetra atao
Tsy misy ny mampanahy
Fa azy ny fiainanao
© Vetson’i Siona 2020