INTY AHO, IRAHO AHO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

INTY AHO, IRAHO AHO


Ny fiainako rehetra ry Jesosy Tompo
Atolotro hiasa sy hanompo Anao
Hitory sy hanambara
Hampiely ny filazantsara
Ho vavolombelona hatrany ampara


Satria ‘Lay Jesosy dia efa niteny
Indro izao
Homba anareo hombieny hombieny
Koa inty aho
Inty aho Jesoa, ka iraho
Iraho aho Jesoa, mba hitory
Ny teny rehetra omenao ahy Jesoa
Inty aho Jesoa, ka iraho
Iraho aho Jesoa
Ho vavolombelona mandrakizay


Endrey ny hafaliako ry Jesosy Tompo
Fa mbola vaoafidy hiasa sy hanompo Anao
Na dia mpanota malemy
Tsy mba navelanao ho irery
Fa mbola navotanao mba tsy ho very


Satria ‘Lay Jesosy dia efa niteny
Indro izao
Homba anareo hombieny hombieny
Koa inty aho
Inty aho Jesoa, ka iraho
Iraho aho Jesoa, mba hitory
Ny teny rehetra omenao ahy Jesoa
Inty aho Jesoa, ka iraho
Iraho aho Jesoa
Ho vavolombelona mandrakizay


·