INTY AHO, IRAHO AHO
Anjomaran'ny Fitiavana
INTY AHO, IRAHO AHO
Duo: Jesosy oo, inty aho raha sitrakao
Manetry tena, manantona Anao
Feno halotoana, ny ao am-poko ao
Nefa diovy anie mba hitalaho
Raiso aho Tompo oo ho irakao
Manolo-tena ho mpanomponao
Tafio fanahy, mahery avy Aminao
Koa inty aho, iraho aho ho Anao
Fiv: Ianao irery anie Jesosy oo no tokiko
(Ianao irery Jesosy ooo, no Tompo sy
mpamonjiko)
Ianao ihany no hiantsampazako
Ny hanara-dia Anao hatrany no mamiko
Mba raiso aho ho Anao ry Tompoko
Duo: Jesosy oo, indreto izahay
Tolory saina hendry sy mahay
Ny famindram-ponao no santatray
Mifona Aminao ‘zahay ry Ray
Vono-kanompo Anao ’ty zanakao
Tsy mana-tahotra ny hidera Anao
Tafio fanahy mahery avy Aminao
Koa inty aho, iraho aho ho Anao
Fiv: ….
Tonony sy feony : RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Rhado