Inty aho
Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)
Inty aho
1/
Inty aho Jesoa tia
Tsy hihemotra anio
Fa handroso (fa handroso) tsy hiato
Raha tsy eo anilanao
Ka toroy, sy anaro
Fa te ho sakaizanao
2/
Inty aho Jesoa tia
Mitaraina, mitalaho
Efa sasatra (efa sasatra) sy ana
Ka miantso mba vahao
Ity fatotra mangeja
Hanarahako Anao
3/
Inty aho Jesoa tia
Te hiombona Aminao
Ka ny otako (ny otako) rehetra
O, esory, avelao
Mba diovy aho Tompo
Mba hanao ny sitrakao
4/
Inty aho Jesoa tia
Efa nihaino sy nandre
Ianao (Ianao) ilay novonoina
Maty tao Getsemane
Nefa Tompo manandaza
Sy Mpanjaka lehibe
5/
Inty aho Jesoa tia
Ka vonona indray
Hanavao (hanavao) ny fikasana
Sy ny voadiko hatrizao
Vonona aho hiara-dia
Aminao mandrakizay