INTY AHO
RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
INTY AHO
1)Inty aho mifona Aminao Ray malala ô
(Ray malala ô)
Tapaka hevitra aho fa hiverina Aminao
(Tsy mendrika)
Tsy mendrika ny ho zanakao intsony aho Ray
Ka ataovy ho isan’ireo mpanomponao
REF:
INTY AHO ry Tompo tsitoha, hamindrao fo
Nanenenako avokoa, ‘reo ditra taloha
Mino aho ry Ray Malala ô, fa efa navelanao
Ka hitoetra eo Aminao mandrakizay
2)Izaho hetahetako izaho sy ny voadiko
(Ny voadiko)
Dia ankiniko Aminao ry Andriamanitro
(Ka mba raiso)
Ka mba raiso ny Tanako, tano aho Ray
Fa Ianao no anjarako mandrakizay
REF * 2:
INTY AHO ry Tompo tsitoha, hamindrao fo
Nanenenako avokoa, ‘reo ditra taloha
Mino aho ry Ray Malala ô, fa efa navelanao
Ka hitoetra eo Aminao mandrakizay
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO