Inty aho

Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)

Inty aho



  1. Tompo ô inty aho manolon-tena
    Fa vonona hamaly ny antsonao
    Inty aho iraho hanao ny asanao
    Hanompo sy anao ny sitrakao


Ref :
Nefa anie ry Tompo mbola zaza
Mbola osa sy malemy raha ny nofoko
Tafio ny herinao, Ampio sy atanjaho
Hijoro ho vavolombelonao
(Ko inty aho)
Inty aho Tompo ka iraho
Fa vonona hanao ny sitrakao
Hitory hatrany ny evanjelinao
Manerana izao tontolo izao



  1. Tompo ô inty aho manolotena
    Fa vonona hampiray ny zanakao
    Inty aho iraho ho vavolombelonao
    Ka hitandrina hatrany ny didinao


Ref :
Nefa anie ry Tompo mbola zaza …
Mbola osa sy malemy raha ny nofoko
Tafio ny herinao, Ampio sy atanjaho
Hijoro ho vavolombelonao
(Ko inty aho)
Inty aho Tompo ka iraho, ka iraho
Fa vonona hampiray ny zanakao
Hampifankatia mandrakizai doria
Hampanjaka ao amponai ilay tena fitia


·