Inty aho
Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Inty aho
Key D
1-[Ny fahasoavanao ry Tompo
No naha toy izao ity mpanompo (ouou ou)
Dia nomenao ny soa sy ny fitahiana
Ka tsapako ilay fifaliana.] ×2
Refrain :
Koa inty aho iraho aho,
vonon-kanao izay sitrakao.
Tsy hierikerika intsony na hoe handà
ka hiandry antso fanindroany.
Ka indro aho hombay ny elatrao
fa vonona aho Tompo
hamaly ny antsonao.
2-[Endrey tsy takatry ny saina
Ny fitondranao tsy hay lazaina
Fa novimbininao ny fo sy fanahy
Nesorinao ‘reo ahiahy] ×2
Refrain
A/C Maholy Todison.
©Mangazaka