INOY SY ANTENAO

Dany Ranoa

INOY SY ANTENAO


Ho kivy ve ny fo
Raha tojo fitsapana
An-dalana ombàna
Fa mafy ny tafiotra
Mifofo sy mianjady
Ka mila tsy ho tanty ?!…


Ho kivy ve ny fo
Ho resy tsy miady,
Hiferotra ao anaty
Fa mafy ny tafiotra
Mifofo sy mianjady
Ka mila tsy ho tanty ?!…


Inoy sy antenao f’io rahona io
Izay mpisompatra
Sy mpitondra sorisory
Tsy haharitra eo akory…


Inoy sy antenao f’io alina io
Izay mikitroka
Dia mbola hisava ihany
Raha tany koa ny tany.


F’io lanitra eo ambony io
Raha ilaozam-pahazavana
Dia ho tarafin’ny masoandro
Mpizara hafanana.
Mbola ho avy ilay maraim-baovao
Izay hampifaly anao
Inoy izany ! Eny, inoy sy antenao.


        Dany Ranoa 1984.

·