Inona no havaliko
Rantsana Fanantenana - FJKM Ambaniala Malala
Inona no havaliko
Inona (Inona?) no havaliko an’i Jehovah
Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
Handray ny kapoaky ny famonjena aho
Ka hiantso ny anaran’I Jehovah
Ny anaran’I Jehovah
Indrisy! Jehovah o, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao;
Namaha ny fatorako Ianao, namaha ny fatorako Ianao
Ianao no haterako fanati-pisaorana
(no hanaterako fanati-pisaorana)
Ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko
(ny anaran’i Jehovah)
Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho
(Ny voady)
Eo anatrehan’ny olony rehetra
(Ny olony rehetra)
Dia eo an-kianjan’ny tranon’I Jehovah
(an-kianjan’I Jehovah)
Eo afovoanao, ry Jerosalema o. Haleloia.
Eo afovoanao, ry Jerosalema o. Haleloia.
Eo afovoanao, ry Jerosalema o.
Haleloia (Ry Jerosalema o)
Haleloia (Ry Jerosalema o)