INONA NO HAVALIKO

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

INONA NO HAVALIKO


INONA NO HAVALIKO?


Inona no havaliko Anao ry Jesoa Tompo
Noho ny soa ‘zay efa nomenao hatramizay
Tsy tambo isaina isan’andro isa-maraina
Ny fahasoavana natosakao ry Ray


REF:
Tsy nojerenao akory ny hadalàna vitako
Fa ny voninahitrao no hitako
Tsy misy ataoko rehareha afa-tsy ny fisinao
Hiderako Anao ny andro sisako


Ny mbola angatahako Aminao ry Jesoa Tompo
Dia ny hanomezanao ahy fo mahay mitia
Ka tsy hankahala fa hanome ‘zay tena tsara
Na ireo mpanenjika na mpankafy


REF:
Tsy nojerena akory ny hadalàna vitako
Fa ny voninahitrao no hitako
Tsy misy ataoko rehareha afa-tsy ny fisinao
Hiderako Anao ny andro sisako


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·