Injany misy feo

AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)

Injany misy feo


Injany misy feo manako fatratra
Miantso any an’efitra any ho any
Mibitsika mangina, mikopaka injao
Miantso ahy, miantso anao koa


Miandry andraso foana ve vao afaka hanoa
Nefa indro izao ny antson’ny Tsitoha
“Zay manantona Ahy tsy ho laviko mihintsy”
Koa andao hidera hanao hoe Amen


Indro miandry eo ambaravarana
I Jesosy zoky hitsena antsika
Izy no efa tanjona hifaharana
Ouh Ouh Ouh Ouh


·