INDRO NY TENY SOA
STK FJKM Ambatomena Antananarivo
INDRO NY TENY SOA
Indro ny teny soa
Tenin’ny fiainana
Tenin’ny fahazavana
Mamirapiratra
Ny teny dia Jesosy
Ilay mesia Mpamonjy
Izay nirahin’Ilay tsitoha
Mba hanavotra
Voninahitra ho Anao ry Ray ô!
Noho ny fanomezan-dehibe natolotrao
Izay natolotrao ho anay mpanota
Mba ho famonjena anay tokoa
Eny saotra, dera, laza, hery
Ho Anao ry Ray mandrakizay
Ho Anao mandrakizay doria, doria
Haleloia
Ry Jesoa Tomponay ô!
Raiso ny fiainanay
Hatolotray hanompo
sy ankalazanao
‘Zao andro anio izao
Izay nitsangananao
Fanavaozana hitoriana
Ny Anaranao