INDRO MANOLON-TENA

Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)

INDRO MANOLON-TENA



  1. Fahiny Jesoa ny fiainanay izao
    Rakotry ny aizina tokoa
    Nambabo fo sy namatotra anay ireo
    Rendrarendra izay tsy mba mahasoa (tsy nahasoa)


Ref : Ankehitriny ry Ray niova ny fiainanay
Indro manolon-tena ho Anao
Koa mba raiso Jesoa
Tafio koa ny herinao
Ho mpanompo mahatoky Anao tokoa ( Anao tokoa)




  1. Ts’ isy izay tsy noheverina hitondra soa
    Kanjo fitaka avokoa
    Fa nanimba ny tena, saina, fo, fanahy
    Nanalavitra Anao ry Mpiahy




  2. Soa fa teo ny sandry Masinao ry Ray
    Izay nitsotra namonjy anay
    Ka ilaozanana ireo ratsy hatrizay
    Indro manolon-tena izahay




·