INDRO HAVAOZIKO

svm mamoriarivo fitiavana

INDRO HAVAOZIKO



  1. Taloha izahay raha nanadino anao
    Nanaram-po tamin’izao tontolo izao
    Variana teny ka nanankin-doha
    Tamin’ny zava-mahadomelina moa
    Feno haratsiana feno hadalana be
    Ratsy fanahy sady mirehareha
    Soa fa teo ilay teninao
    Nahatonga ahy hijoro toy izao


Ref: Ankehitriny tompo indro havaoziko
Havaoziko zava-drehetra
Nambabo ny fonay ka indro havaozinay ,
Havaozinay tsisy fepetra
Izany fanoloranay tena anio
Diovy izahay hadio



  1. Efa lasa re ny zavatra taloha
    Tonga vaovao izahay mpanompo moa
    Satria ianao no nanavao anay
    Ray o! ampio ho irakao izahay ka
    Tsy hiova intsony fa tena hiorina
    Aminao jesoa ilay marina
    Ny lalanao no indro arahanay
    Dia mahatoky ihany koa izahay


·