INDRO ATOLOTRO ANAO

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

INDRO ATOLOTRO ANAO


Indro atolotro Anao
Ity foko Jeso
Fa maniry loatra ny
Mba hanjakanao (Jeso)
O! diovy ny sasao
Mba ho mendrika Anao
Mba hahazoako fiainam-baovao


Ianao no Mpamonjy ny fiainako ety
Ianao no nanolotra ny rĂ nao soa tao Kalvary
Ianao no mpamory ny ondry mania
Ianao no fanantenako hatrary (Hatrary)
Indro atolotro Anao
Ity foko anio
Raiso Tompo, raiso ho Anao doria


Na tsy mendrika aza re!
Ity mpanomponao
Dia manantona Anao
‘Lay Tompo mpanavao (Jeso)
O! Diovy sy havaozy
Mba ho toy ny Anao
Ity foko re Jeso mba hazavao


Ianao no fanilon’ny fiainako ety
Ianao no fitarikandro hanazava izany dia
Ianao no iriko ho Tompo satria
Ianao no ’lay mpiandry ondry be fitia (be fitia)
Indro atolotro Anao
Ity foko anio
Raiso Tompo, raiso ho Anao doria


·