Indray andro hono

Johasina

Indray andro hono


Indray andro hono nisy, kalakely, manjakely
Dia naniry hono izy ny hanana volamena
Tia hampiitovy amin’ny namany, dia nanofinofy
Tia hampiseho amin’ny havany, zao ny harena zareo


Tamàna anaty haizina izy, lohasaha, mangingina
Mijaikojaiko mody izy, refa avy novidiana
Nividy fitafy mba tia hiavaka sy hitovy amin’ny hafa

Kintana dimy no nanazava ny lalan-kombana


Ref:
Miala avy any Ikala, manakoako zalah,
Havana raha misy vola

Miala avy any Ikala, miandriandry zalah
Tohizako ny doladola


Indray andro hono nisy, bandikely, mora very
Tsy mba mihevitra ny ampitso, ny omaly ihany no androaqy
Ka lasan’ny rivotra, nitopatopaka, tsy nisy nihazona
Dera sy laza no nanazava ny lalan-kombana


Ref:
Miala avy any ledala, manakoako ikala,
Havana raha misy vola

Miala avy any ledala, miandriandry ikala
Tohizako ny doladola


Aiai ai ai
Oio oiooo
Eye aya ya ya x2


Ref fariny:
Miala avy any Ikala, manakoako zalah,
Havana raha misy vola

Miala avy any Ikala, miandriandry zalah
Tohizako ny doladola


Oio oio aya wayayii x 2


Miala avy any ledala, manakoako ikala,
Havana raha misy vola

Miala avy any ledala, miandriandry ikala
Tohizako ny doladola


·