Ilay tiako indrindra

Mr Sayda (MisiƩ Sayda)

Ilay tiako indrindra


Fitiavana no hiantsoko anao tsy noterena e
Io tsy nasiko fetra tsy mba nofefena e
Manana anao zah dia manan-karena e
Mmmm


Hatram’ny mbola kely aho de efa nanantena
Hoe indray andro any mbola hifanena e
Amin’ilay fitiavanao izay volamena e
Eh yeah


Fa tsisy lafatra ohatran’ny oe mifankatia
Raha Hiankavanana tarito miankavia
F’ianao ny anjely mpiambina izay lalako e
Ka antsoiko hoe malalako e


Tsy resaka vola io, tsy resaka harena
Fa raha vitan’ny vola io efa nifanerena
Tsy hoe resaka maintso, na resaka mena
Fa mandeha ho azy daholo daholo
N’inon’inona couleur a


Fiv:
Ka fitiavana no hiantsoko anao
Ilay tiako indrindra
Tompon-daka tao am-poko ianao
Ilay mahay mandrindra
Ny fidobokin’ny foko e
Tsy akamadika ny loko e
Tsy mba natahorana hoe hiofo e
Izay ilay tsy afoizako anao


Fitiavana toy ny orana izay mandalo
Mety ho erikerika tondra-drano
Mety ho tso-drano izy ka hampifaly
Na koa loza voajanahary


Fa io fitiavana io koa mety makarary
Mampikorontana ka tsisy raha manjary
Firy isan-jato no efa kobo fa mijaly
Aretim-pitiavana


Tsy resaka vola io, tsy resaka harena
Fa raha vitan’ny vola io efa nifanerena
Tsy hoe resaka maintso, na resaka mena
Fa mandeha ho azy daholo daholo
N’inon’inona couleur a


Fiv:
Ka fitiavana no hiantsoko anao
Ilay tiako indrindra
Tompon-daka tao am-poko ianao
Ilay mahay mandrindra
Ny fidobokin’ny foko e
Tsy akamadika ny loko e
Tsy mba natahorana hoe hiofo e
Izay ilay tsy afoizako anao


Fitiavana no hetsoko anao tsy noterena e
Io tsy nasiko fetra tsy mba nofefena e
Manana anao zah dia manan-karena e
Mmmm


Hatram’ny mbola kely aho de efa nanantena
Hoe indray androany mbola hifanena e
Amin’ilay fitiavanao izay volamena e
Eh yeah


Fa tsisy lafatra ohatran’ny oe mifankatia
Raha miankavanana tarito miankavia
F’ianao ny anjely mpiambina ny lalako e
Ka antsoiko hoe malalako e


Tsy resaka vola io, tsy resaka harena
Fa raha vitan’ny vola io efa nifanerena
Tsy resaka maintso, na resaka mena
Fa mandeha ho azy daholo
N’inon’inona couleur a


·