Ilay taratasinao

njava

Ilay taratasinao


Ilay taratasinao


Toa sakodiavatra aho,
Raha namaky ilay taratasinao
Nilaza f’handao ahy ianao
Noho ny adim-piainanao


Ataoko ahoana anefa moa
Efa niezaka aho
Nanao izay azoko natao


Ataoko ahoana anefa moa
Efa niezaka aho
Ny hanakambana ny fontsika roa


Izao anefa no lafatra
efa voasoratra ho antsika
Ka aleo aho mandefitra
Amin’ny fitiavantsika


Koa izao no mba hafatro
ho anao e ry handao
Aza adinoinao ny anarako
N’aiza n’aiza misy anao


Ataoko ahoana anefa moa
Efa niezaka aho
Nanao izay azoko natao


Ataoko ahoana anefa moa
Efa niezaka aho
Ny hanakambana ny fontsika roa


Eny, veloma hatreo ianao
Veloma ianao
Tsy laitro intsony mantsy ny manjo ahy


Eny, veloma hatreo ianao
Veloma ianao
Tsy laitro intsony mantsy ny manjo ahy


Hum! Ataoko ahoana anefa moa
Efa niezaka aho
Nanao izay azoko natao


Ataoko ahoana anefa moa
Efa niezaka aho
Ny hanakambana ny fontsika roa


Eny, veloma hatreo ianao
Veloma ianao
Tsy laitro intsony mantsy ny manjo ahy


Eny, veloma hatreo ianao
Veloma ianao
Tsy laitro intsony mantsy ny manjo ahy


Eny, veloma hatreo ianao
Veloma ianao
Tsy laitro intsony mantsy ny manjo ahy


Narcisse Njava


·