Ilay solonao vaovao

SOJA Felix

Ilay solonao vaovao


Raha nampoiziko ho kilalao
ilay fiarahana nataontsika
Dia naleoko tsy nisy izy iny
fa lao tarangana hatramin’boalohany


Ref:
Izaho anefa tsy hitomany
ny hoe mbola hiverenanao
Fa mbola ho avy indray andro any!
Ilay solonao vaovao


Izaho akory tsy nandroaka anao
F’ianao ihany no tsy tamàna
ka nilefa niala anay
Hatao ahoana moa, f’izay no tianao


Mandehana, mandehana ianao!
f’aza mierikerika intsony
na hoe hiverin-dàlana indray
f’izaho anie efa tofoka tokoa


·