ILAY MAZAVA
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
ILAY MAZAVA
Ilay mazava no tonga izao
Jesosy mpamonjinao
Zanaky ny avo tonga ho anao
Derao sy ankalazao
Refrain:
O! mifalia sy mihobia
Teraka Jesosy tia
Tonga tety ilay Mesia
Ho anao no nidinany
Nafoiny ny fiandrianany
Tonga nofo tety
Lehibe tokoa ny fitiavany
Tiany satria zanany
Refrain :
O! mifalia sy mihobia…
Maniry hiditra ao am-ponao
Jesoa Kristy tomponao
Raiso ny fahasoavany
Ilay mazava ho doria
Refrain :
O! mifalia sy mihobia…