ILAY KRISTY

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

ILAY KRISTY


Dia mazava be ny lanitra tao Betlehema
Ndreo anjely tena maro be sy sesehena
Voninahitra ho an’Andriamanitra Avo
Fiadanana ho an’ny olona efa lavo
Fa tonga Ilay Mesia, Ilay Kristy Jesoa be fitia


Dia niainga ireo mpiandry ondry tao an-tsaha
Tsy nangataka andro fa dia lasana nizaha
Ho afaka tokoa ny ahiahy nampanahy
Faly re ny fo sy ny fanahy, he ravo ny fanahy
Fa tonga Ilay Mesia, Ilay Kristy Jesoa be fitia


Dia nizotra koa ‘reo magy telo olon-kendry
Mba hahita maso marina ilay Voatendry
He, natolony Azy re ny hasina sy laza
Foiny an-tsitrapo ireo fananany mba ho haja
Fa tonga Ilay Mesia, Ilay Kristy Jesoa be fitia


Asandrato re ankehitrio ny hira soa
Mba hanakoako eran-tany mafy koa
Voninahitra ho an’Andriamanitra Avo
Fanavotana e, ho an’ny efa lavo
Fa tonga Ilay Mesia, Ilay Kristy Jesoa be fitia


·