Ilay Jehovah Ray
Antoko Mpihira MORIA
Ilay Jehovah Ray
1- Maro ny lalana naleha
Nandeha nivezivezy
Nitady izay mahasoa
Sahirana tokoa
Fa dia nahoana moa ?
Teo vao tsapako
F’ilay Jehovah Ray tsitoha
Nanolotra ho ahy tokoa
Ilay zanany
Izay tena malalany
Hamonjy ahy izay mania
Ref: Ilay Jehovah Ray
Rain’ny Mandrakizay
Hatramin’ny taloha
Dia tena tia tokoa
Satria ‘Lay zanany
‘Lay lahy tokany
Dia nampidininy
Hamonjy izay mania
2- Maro ireo mpiray tampo
Zay tokony hifanasoa
Tsy mba madio fo
Mifanao an-dolom-po
Fa dia nahoana moa ?
Teo vao tsapako
F’ilay Jehovah Ray Tsitoha
Be fitia Be indrafo
Ka ny hany lalana
Ho mari-pihavanana
‘Ndeha hifandray tanana