ILAY FOTO-BOALOBOKA

APAL EKAR BEMASOANDRO

ILAY FOTO-BOALOBOKA


Raha ny làlana nodiaviko hatramin’izay ela izay (ela izay)
Nizotra tsy mba nisy tanjona, tsy nahalala velively
Ny teny sy ny hafatrao ry Jesoa, kanefa Ianao nifidy ahy
Ahefako be ambany elatrao (ou) hamoa voa tsara mendrika Anao


Fantatro tokoa fa (fa izay) izay mitsiry Aminao
Sy amin’ny fitiavanao dia mamokatra (be) satria Ianao (no ilay fototra)
Satria Ianao ilay foto-boaloboka isampananay


Tazomy mafy ny finoako Anao handresy ny lalan’ny tany (sy ny filany)
Hitandremako ireo didinao sy ireo fampianaranao
Izay natoronao ho arahina fa Ianao no efa nitia ahy
Mba havokarako bebe kokoa (eo) ambany fitantanao


·