Ilay Feo

Ny Ambasadôrà

Ilay Feo


Ao an-tsofinao ao sy ny eritreritrao
Misy bitsika hoe :“làlan’aiza no aleha?”
Lala - migodana ve izay betsaka mpandeha
Tsisy sakan - dàlana nefa tsisy hifandraràna
Miangavy anao diniho ‘zay atao
Fa hoy ny teny :" na maro ireny,
dia tsy voatery ho any amin’ireny,
no mahavonjy ny ainao!"


Ref:
Mba henoy ilay feo iray,
Mitondra anao ho amin - dRay!


Toa tamin’ny andron’i Noa valo mianaka
Maro izay nifidy hoe:
“maro anisa hatrany hatrany”
Kanjo dia nanenina, ranomaso ozona
Zary fahafatesana , no niandry azy ireo
Koa jereo tsara , f’ilay anjara
Dia ny safidy atao anio
Tsy miankina aminy ny olotianao
Na koa ny ray sy reninao


Ref:
Mba henoy ilay feo iray,
Mitondra anao ho amin - dRay!
Mitondra anao ho amin - dRay!
Misy feo tsy manery
Mora nefa azo antoka
Raha zatra nandà ianao
Dia tsy re intsony ilay feo!
O! O!!!!!! O!!!!
Ilay feo!


·