ILAY FAHAZAVANA

GROUPE TAMIA

ILAY FAHAZAVANA

1-Ny ditraditrako hatrizay Tompo ô , tsy nahasoa akory
Tena mafy loha tsy nankatoa ireo didinao
Fantatro fa sarotra ny miaina rehefa manalavitra Anao
Sarangotin’ny devoly tsy hanakaiky Anao

Kanefa indro natsotranao
Ilay tànanao Mahery indrindra

REF :
Indro tazako Jesosy ilay fahazavana vao
Niposaka ho ahy rehefa nahalala Anao
‘Zay nitondra fanantenana sy fiainam-baovao
Nanova ny fiainako
‘Zay mbola variana ety : “Hampahafantaro azy ny aleha”
Mba kasio ko re ny fony : ”Ou ou ouuu”
Mandrapihavinao samy ho vonona avokoa izahay
Hitsena Anao

2-Nadaraboky ny hadalana no nareninao Tompo ô !
Rotidrotiky ny fahotana
Fa tsy nahasoa ahy akory ny lasa hatrizay
Efa saika nandavo ahy

Kanefa indro natsotranao
Ilay tànanao Mahery indrindra

REF :
Indro tazako Jesosy ilay fahazavana vao
Niposaka ho ahy rehefa nahalala Anao
‘Zay nitondra fanantenana sy fiainam-baovao
Nanova ny fiainako
‘Zay mbola variana ety : “Hampahafantaro azy ny aleha”
Mba kasio ko re ny fony : ”Ou ou ouuu”
Mandrapihavinao samy ho vonona avokoa izahay
Hitsena Anao

. Ianao Jesosy Tompo ô !!! No Ilay FAHAZAVANA
Ianao IRERY no afaka hitondra fiovana ho anay

·