ILAY ANDRIAMANITRA INOAKO

SLK Miantsa ATV

ILAY ANDRIAMANITRA INOAKO


1-Mbola tsaroako foana
Ilay andro iray
Nanehoan’ny Tompo ny hatsarany
Tamin’izay aho efa namoy fo fa hoe:
Ho aiza intsony aho
Tamin’izay indrindra
Tonga tamiko ny teninao
“Fa ny zanako ,sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany”


2-Manafay ny Ray nefa hainy koa
Hainy koa ny manambitamby
Hainy tsara koa ny maneho fitia amiko
Ny mahagaga ahy hainy ny mampahery
Ilay saiko efa resy dia resy
“Lehibe tokoa raha ny Andriamanitra ilay inoako”


Refrain:
Isaorako azy izay nataony ho ahy
Satry fantatro fa izay nataony rehetra
Dia anehoany tokoa ny fahasoavany amiko
Na dia hoe tsy sitrako indraindray.


3- Isaky ny misy
Izay manjoa ahy
Dia tsaroako foana ilay teny
“Fa ny zanako,sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.


Refrain:
Isaorako azy izany nataony ho ahy
Satria fatatro fa izay nataony rehetra
Dia anehoany tokoa ny fahasoavany amiko
Na dia hoe tsy sitrako indraindray


Fa mahery indrindra aho ampaherezin’ilay
Tia ahy
Hatrizay, endrey ny hatsarany.


===Slk Miantsa Atv===
A/C Mamy A.Solofo


·