IFONANA AMINAO (Si)

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

IFONANA AMINAO (Si)



  1. Nanenenana ireo ratsy rehetra vitanay
    Ifonana Aminao
    Tsy te-hamerina intsony ‘reo hadisoana izahay
    Fa malilo ô!
    Raha mandinika e! Ny Hatsaram-ponao ô!
    Dia mandon-tratra, tsy sahy mijery, mitanondrika e!


Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay
Fa manenina e ! Tena manenina
Tsy sahy mibanjina Anao
Tsy sahy manonona ny Anaranao
Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay



  1. Ny Hazofijalianao iny efa navesatra
    Mbola nampianay ihany
    Tamin’ireo fahotana maro izay vita isan’andro ô!
    Raha mandinika e! Ny Fitiavanao ‘zahay e!
    Dia menatra mafy fa tsy mendrika izahay


Kristy ô! Kristy ô! Mamindrà fo aminay
Fa manenina e ! Tena manenina
Tsy sahy mibanjina Anao
Tsy sahy manonona ny Anaranao
Kristy ô! Kristy ô! Mamindrà fo aminay



  1. Nihazakazaka izahay ka potraka fa trotraka
    Dia indro tamy Ianao nampitsangana fa nangoraka
    Hafaliam-be no nandraisanao izany e!
    Fa very ka hita indray, ‘lay ondrikely iray


Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay
Fa manenina e ! Tena manenina
Tsy sahy mibanjina Anao
Tsy sahy manonona ny Anaranao
Tompo ô! Tompo ô ! Mamindrà fo aminay


·